Amin-kafaliana indray no anolorana anareo hira MIDI vaovao ao amin'ny
takelaka http://come.to/radonr. Hiram-piangonana Katolika maromaro
notendrena tamin'ny aingam-panahy mahazatra (jazz ho an'ny tsy mahalala)
ary nakambana tanaty kapila iray mitondra ny lohateny hoe "Masindah" no
isan'ny zava-baovao ao. Vazo azo tsongaina amin'izany ohatra ireto:
- Reny mpitari-dalana: jazz waltz ifandimbiasan'ny "drums", "standup
polytone bass" ary "jazz guitar" mandeha irery sy mifanakalo
andinin-kira vitsivitsy.
- Faingana rey olona: bossa nova sy 4/4 funk mifamalivaly miaraka
amin'ny "moss slap bass", "vintage lead" ary andinina "hammond B3" (asa
io na azo adika hoe harmonia na tsia) maromaro.
- Mahaiza misaotra: tendry gasy nampisongadinana manokana ny amponga
sy ny beso manan-tany ary ny tehaka fanarahana gadon-kira fahiny.
Ahitana ihany koa fililiotra tsotra mandeha irery eny anelanelany eny.
Ireo no voalaza fa dia ao koa ny maro hafa izay tsy ary ho voatanisa
eto. Manasa anareo ary handalo hitsidika kely ny takelaka sy ny
zava-baovao hafa izay nampiana tao (toy ny tonon-kiran'Ingahy Andy
Razaf, tantara fohy Malagasy iray vaovao ets.)
Mandra-panoratra indray ary mirary Krismasy sambatra sy fety mamy ho
antsika rehetra.
RnR
PS: Vokatry ny fangatahan'ny mpamaky sasany tsy mbola ary fitaovana
tsara nandalo tao amin'ny pejy dia namboarina ihany koa ny rafitra
ankapoben'ny takelaka mba ho vetivety ny fivezivezena ao ary mba tsy
hisy ny fandaminana tsy arak'ireo browser taloha. Misaotra etoana
amin'ny fanampian'ireo izay nandroso ny soso-kevitra.
________________________________________
Rado N Ratovonarivo
http://come.to/radonr
rad...@juno.com
"You may call me the dreamer; I don't care if you do."
New MIDI files have been added to the site http://come.to/radonr/. This time
around, although the inspiration behind these tunes always remain the same -
I'm a huge jazz fan remember? - we tried to give a whole new perspective to
Malagasy music on the internet. In a nutshell, the songs included in this
latest release and arranged in the album called "Masindah" - named after a
slanged version of the Malagasy word for Saint - have a rather jazzy/funky
feel; yet they are sacred Catholic music well-known around Madagascar.
Yes, you heard right ... sacred Catholic music. Some of the people who knows
my work are familiar with the fact that I've played a lot in church during
masses - particularly back in my high school years - and it has always been
a very important part of both my personal and artistic life. Well, I guess
you could say this album is my tribute to these many years of playing with
God and for God. What other best way to thank Him but through a couple of
drums solos and some funky hammond B3 chords? - Note: that's the artist
talking.
Some of the pieces on that album are:
- "Reny mpitari-dalana" (A song for the Virgin Mary) arranged in a jazz
waltz tempo and with some trading solos between a standup polytone and a
jazz drumkit/brushes.
- "Faingana rey olona" (A tune for the Advent season) which is a mix of a
simple bossa nova beat and a 4/4 pop funk layered with some slap bass
counterpoints.
There are of course several new tunes so swing by anytime you have a minute.
The site has also been arranged to load faster and to be compatible with
virtually every browser out there. And I forgot ... there are other updates
too (the lyrics of Andy Razaf for example.)
Best regards and happy holidays!
RnR
_______________________________
Rado N Ratovonarivo
http://come.to/radonr/