manahoana
mandrapiresaka
Répondre en mode Web | • | Répondre à expéditeur | • | Répondre à groupe | • | Nouvelle discussion | • | Toute la discussion (1) |
manahoana
Dia inona tokoany moa izany ny fiantraikany "mivantana" @ Malagasy @ ity nahalany an'i Donald ho filoha amerikana izao ity.
1- ny tontolo iainana.
T@ niaraka tamin-dry Obama azany dia efa henjana be ny nahazoana ny Amerikana mba hiaraka @ firenen-drehetra hamaha ity global warming
ity. Izao anefa i Donald dia efa nilaza fa hanipaka an'io, fa resakabe fotsiny, hoz'izy, izany "changement climatique" izany.
Raha tsy manohana ny ezaky ny firenena rehetra @ io ny Amerikana, dia hihahaingana ny faharavana, satria ny tany hafa koa ho tsy te-ahalala.
Nefa ny Amerikana no voalohany mahatonga ny faharavana. Ary misy fiantraikany tokoany amintsika io.
http://www.lagazette-dgi.com
5ème pays le plus vulnérable au monde au changement climatique pour les 30 prochaines années d’après le classement de l’organisation
indépendante américaine Maplecroft, Madagascar voit tous ses secteurs d’activités socioéconomiques affectées par ce problème.
2- ny tribonaly internasionaly.
Tsy hiresaka izay politika raharaham-bahinin'i Donald ao aho, fa ity zavatra mahakasika antsika ihany. Na t@ Obama azany dia efa TSY mba
miaraka @ ankamaroan'ny firenena rehetra ny Amerikana. i Donald dia vao mainka henjana be @ io. Ka dia izay jiolahim-boto hafa rehetra koa izany dia tsy hita ho enjehina eny @ tribonaly internasionaly intsony
https://en.wikipedia.org/wiki/United_States_and_the_International_Criminal_Court
3- ny fifandraisana ara-barotra.
Tsy dia nisy resaka aloha ny @ io t@ propagandy. Fa @ ankapobeny, dia "isolationiste" i Donald, izany hoe, tsy misokatra @ isokafan'ny
tsena (ALENA,...). Ny AGOA moa fifanarahana h@ 2025, nefa moa, i Donald dia efa nitrifana foana fa ho korontaniny hono izay rehetra nifanarahana, raha hitany fa hoe "bad deal" ho an'ny orinasa amerikana. Ka dia efa kaodikaody daholo ny olona.
http://www.timeslive.co.za/politics/2016/11/09
Nefa anie io no mba (n)ahafahantsika ... tsy hiankin-doha an'i Renimalalan'ny sasany lava io
4- Fa ilay fitondra-tena manokana
Ny nasehon'i Donald teo, h@ nataony efa taloha be, dia ... nahavaky fanahy izay nanaraka iny propagandy iny: Izany ve no ohatra amena ny
Ankizy? misogyne, raciste, islamophobe, bully... mandainga i Donald mba ahafahany mahazo zavatra...
5- Ary ilay fitondra-tena-na politisiana
Dia mbola vaky fanahy daholo ihany izay nanaraka iny propagandy iny: Izany ve no ohatra amena ny mpanao politika any @ tany mahantra toa
antsika ohatra? Ilay hoe, raha tsy mandoa impot dia satria hono "smart" izy, dia eo ihany, fa maro be ireo lainga be asosasosany ary averimberiny. Na dia efa tsipihina aminy azany fa hoe dia vavany taloha ilay izy, dia anaovany bemarenina, fa ny azy ihany
no asesiny sy averimberiny.
Be dia be no mbola azo resahina, fa hotry ny negative loatra aho... asa ve hoe, mila manao ezaka mafy aho izany hitady ny positive @ ity,
fa izao aloha dia ... izaho aloha zareo dia tena valaka tanteraka aaa... tena valaka tanteraka ho'a.