Nirefodrefotra ny baomba lacrymogène izay efa fantatra fa entona mahatonga cancer. Tsy raharahn'ity fanajakna ity izany fa satriny aza ripaky ny cancer eto isika mianakavy. Ny tena nahagaga ny rehetra dia any amin'ny tokotanin'ny Oniversite mihitsy no manao ny hataony ny miaramila herim-pamoretana.
REMENABILA dahalo rain-dahiny tsy resiny fa ny mpianatra tsy manan-tsiny tsy mitondra afa-tsy tanam-polo no hanamparany ny heriny.
Nirifatra nitsoaka niditra tany anatin'ny faritra pedagojika ireo mpianatra izay nitaky ny mba tsy hisian'ny taona fotsy ireo nefa dia mbola nenjehiny tsy nananany antra.
Nisy ny naratra teo ampandosirana fa ny tena loza dia ity. Nisy mpianatra izay tsy mba niaraka tamin'ny namany fa nijanona teo amin'ny "esplanade" teo akaikin'ny departemantan'ny fizika no notifirina avy lavitra ny handriny. Izany hoe niditra tato anatin'ny
toeram-pampianarana mihitsy ny herim-pamoretana. Nijininika ny rà. ( jereo sary) Rovitra tanteraka ny handrin'i Herimanda, fa izay no anaran'ity mpianatra ity. Raha teo amin'ny tendany no voa dia maty tsy tra-drano io tovolahy io.
Tena tsy voahaja ny "franchise universitaire" araka izany..
Asa na ahoana na ahoana no mba ho fihetsiky ny "Présidentn'ny Universiten'Antananarivo" manoloana izao toe-javatra izao ?
Andrasana ihany koa ny fanambaran'ny SECES sy ireo fikambanana hafa izay saro-piaro amin'ny fitandroana ny franchise Universitaire.
Aiza ny fikambanana manohana ny zon'olombelona fa tena efa tsy rariny intsony izao.
Ny tsy hisian'ny taona fotsy no angatahin'ireto mpianatra ireto nefa zera baomba no nasetry azy. Ny hanery ny fanjakana hitazona ny teny nomeny ka hamaly ny fitakian'ny SECES no nanaovan'ny mpianatra fihetsiketsehana kanjo baomba no navaly azy. Fanjakana natao hiaro ny olona sy ny fananany ve ity sa fanjakana miaro ny tombotsoan'olom-bitsy fotsiny eh ?.
Raha izay olona naratra sy maty teto izay dia mitovy amin'ny fanjakana Bachar El Assad mpamono ny vahoaka ao aminy ity fanjakana ity.
Zo