Calixte Razafimahatratra
unread,May 21, 2022, 1:12:09 PM5/21/22Sign in to reply to author
Sign in to forward
You do not have permission to delete messages in this group
Either email addresses are anonymous for this group or you need the view member email addresses permission to view the original message
to P. (Pio) Soldier Harilala RAKOTOMANGA, Hermann ANDRIANTAFIKA, CMZE Conseil de La Communication, conseil-finance-cmze
Mirary soa e!
Misaotra an'i Président Hermann, ary misaotra anareo rehetra Komitim-piangonana niara-niasa taminy nandritra izay 3 taona lasa izay.
Tsapa ny finiavana hanao zavatra sy ny fahendrena nitantananareo ny Ankohonam-piangonantsika.
Milaza moa ianareo fa tokony hatao ny fifidianana izay olona hitantana ny Fiangonantsika, rariny tokoa izay raha ny fetrandro no jerena.
Araka izany dia olona vaovao sy ekipa vaovao no handray an-tanana ny Ankohonam-piangonana manomboka amin'ny volana Septambra.
Ny tantara tsy fanadino, ary ny sakay efa nanditsoka maso dia tadidy foana, ka tsara mba holazaina antsika mba tsy haha-tompon-trano mihono antsika:
Hahazo Birao vaovao àry izany isika amin'ny faran'ny volana jiona.
Vakansy anefa ny jolay sy aogositra. Misy asa efa tsy maintsy atomboka na dia vakansy aza ny andro.Tonga dia handray ny andraikiny ny Birao vaovao amin'ny Septambra. Tsy tena ho tomombana ny "Passation de pouvoir ", satria raha ilay kabary hifamaliana mandritra ny fahefakadiny na mihoatra kely iny, dia formalité fotsiny ihany, na dia Passation de pouvoir aza no iantsoana an'iny.
Tsy maintsy homanin'ny Birao vaovao ao anatin'ny fotoana fohy izany ny "Conseil National" sy ny fanomanana ny ZAIKABE. Ry zareo nefa vaovao.
Ny SOSOKEVITRO izany dia izao:
1) Amin'ny volana septambra na oktobra no hatao ny fifidianana.
2) Ny Birao am-perinasa amin'izao no tsara manomana ny Conseil National sy ny Zaikabe, noho ny traikefa (expériences) efa ananan-dry zareo, ry zareo rahateo efa zatra miara-miasa. Ny Birao vaovao indray, tsy hoe hitazam-potsiny, fa hiara-hiasa, handray anjara ka hahita ny pitsopitsony rehetra momba ny fikarakarana tokony hatao.
3) Amin'ny alahady farany hiarahantsika amin'ny Taona litorijika diavina (20/11/2022 Fetin'i Kristy Mpanjaka) no hanaovana ny Passation de pouvoir, ka handraisan'ny Ekipa vaovao ny Fitantanana.
Samia hotahian'Andriamanitra e.
Calixte