Atoa Filoha,
Mino aho fa anatin'ny fiketrehana ho amin'ny fanomanana ny zaikabe ianao sy ny birao, ary ny FNOIM.
Inty misy tolo-kevitra sao mahasoa :
- Antsoina an-telefaonina arahina SMS ny mpandrindra (coordonnateurs) 2-n'ny vaomieran'asa tsirairay, mitokana (séance de consultation/coaching) ?
- Mba hahafahanao sy ny birao mihaino ny asa efa natombony sy mba hifanarahana tsara amin'ny fomba fiasa manaraka (mode de fonctionnement, plan d'actions...) ?
- Atomboka amin'ny vaomieran'ny Serasera sy Fisoratana ao amin'ny Holafitra io fihaonana mifandimby io.
- Azo atao andro 1 izany (ohatra adiny 1 isaky ny mpandrindra vaomiera).
Dia mirary soa indrindra e!
Am-pirahalahiana tokoa,
Jean Marie SIMON